1- Mitodika Aminao izahay Zagnahary Babanay e
Ianao lay Baba Mpamindra fo
Natokiny taminao e! nandika ny didinao!
Nandaba ny sofinay tamin’ny hafatrao
Tompo ô tsy hagnano eky e!
Tompo ô tena manegnina e!
Reny hadalanay ry Tompo ô, ifonanay!
Tompo ô mamindrà fo aminay
2- Mitsôtro aminao izahay Kristy ô!
Ianao Kristy Zokinay,
Ilay didim-pîtiavana e! nataonay ankilabao e!
Nahilikilikay ny madinika e!
Kristy ô tsy hagnano eky e!
Kristy ô tena manegnina e!
Reny hadalanay ry Kristy ô, ifonanay!
Kristy ô mamindrà fo aminay
3- Tsorinay aminao ry Fanahy Masina ô
Ianao lay Fanahy mpankahery
Fa tena manegniny e, tamin’ireny hadalana jiaby
Kay maso voa sakay, ny afara tandremana
Tompo ô tsy hagnano eky e!
Tompo ô tena manegnina e !
Reny hadalanay ry Tompo ô, ifonanay!
Tompo ô mamindrà fo aminay