Mandehana ianao (mandehana fa ianao no nofidiko)
Mandehana ianao, mandehana
Fa ianao no nofidiako mba ho Ahy
Izaho kosa homba anao lalan-dava
Mandehana fa miandry ny vahoaka
1- Toa tsy mendrika anie aho Tompo ô
Izato nofoko osa loatra tsy ampy hery
Aoka re ry Tompo tsy ho tsiniko
Ianao tsy mitsaha-mandondona
Fahantrana no hanirahanao ahy
Ny vahoaka miandrandra fahafana
Fandeferana no anan’izy ireny
Ho tody ve ny hafatrao Tompo ô
2- Irahinao aho nefa mba ambininao
Ity zaho zaza vao miana-miteny
Aoka re ry Tompo raha azo hatao
Ny sitrakao anefa no hotanteraka
Andeha aho nefa mba tantano
Fantatrao ny kilema ato anaty
Dia tsy heriko no hitodiako
Ny Fanahinao no hiteny ato amiko
(ATM / Pr. RANDRIAMAHITA Pierre) / ossttina
Fa ianao no nofidiako mba ho Ahy
Izaho kosa homba anao lalan-dava
Mandehana fa miandry ny vahoaka
1- Toa tsy mendrika anie aho Tompo ô
Izato nofoko osa loatra tsy ampy hery
Aoka re ry Tompo tsy ho tsiniko
Ianao tsy mitsaha-mandondona
Fahantrana no hanirahanao ahy
Ny vahoaka miandrandra fahafana
Fandeferana no anan’izy ireny
Ho tody ve ny hafatrao Tompo ô
2- Irahinao aho nefa mba ambininao
Ity zaho zaza vao miana-miteny
Aoka re ry Tompo raha azo hatao
Ny sitrakao anefa no hotanteraka
Andeha aho nefa mba tantano
Fantatrao ny kilema ato anaty
Dia tsy heriko no hitodiako
Ny Fanahinao no hiteny ato amiko
(ATM / Pr. RANDRIAMAHITA Pierre) / ossttina
Nampiditra PVST
Sokajy Antson'Andriamanitra