Arabaina isika rehetra AFAFI sy FET nahatontosa soa aman-tsara ny fanokafana ofisialy ny taon-jaobily. Tena nahafinaritra ny fizotry ny hetsika rehetra taty Toamasina ary antenaiko fa samy nahazo ny anjara tandrify azy ny rehetra tamin'ireo vatsimpanahy nozaraina tamin'ny Sabotsy sy Alahady teo.
Mankasitra sy Mankahery manokana ny mpikarakara fa mbola betsaka ny miandry mandritry ny taon-jaobily. Ny fahasoavan'Andriamanitra anie homba anareo mandrakariva, ahatontosanareo ny adidy sy andraikitra apetraka aminareo.
Mahereza daholo ô!
Salama tompoko!
Mikasa ny hanao mariazy katolika izahay @volana febroary 2015, ka mba mangataka fanampiana avy aty aminareo @ famoronana ny litorjia ny Sorona Masina @ le andro MALAZA; Inona avy no tokony ho hita ao antiny.....
Misaotra tompoko!
Salama tompoko, ny masturbation dia fitadiavana fahafinaretana ara-nofo atao amin'ny tena, ivelan'ny mariazy. Manohatra ny hatsaram-panahin'ny fahadiovana izy; ary ny marina dia asam-pijangajangana atao amin'ny tena izy. Ny katesizin'ny Fiangonana katolika dia maneho mazava fa fitondran-tena tsy mifanaraka araka ny nanaovan'Andriamanitra antsika ny masturbation.