Katolika ve ianao? Malagasy na afaka manoratra sy mamaky teny malagasy? Manana fotoana kely? Vonona hanampy antsitra-po ny Katolika.org? Raha eny no valin'ireo fanontaniana ireo dia afaka miara-miasa aminay ianao.
Ny azo atao ?
Ny ekipan'ny katolika.org dia mitovy aminao koa, namaly ireo fanontaniana ireo tamin'ny "Eny" dia samy mandray izay tandrify azy. Ao ny manoratra toriteny isaky ny alahady (ho an'ny mompera). Ao ny mampiditra hira katolika avy amin'ny fihiràna izay tena ilain'ny katolika any ivelan'i Madagasikara tokoa. Ao ny mandika teny ireo tahirin-kevitra katolika sy mametraka izany eto amin'ny takelaka. Ao ireo mampiditra vavaka hovakiana sy hiainan'ny mpitsidika. Ao ireo manao fanitsiana ny tsipelina amin'ny vakiteny isanandro. Ao ny manangona hira katolika sns. Betsaka ny zavatra azo atao ho fampielezam-pinoana eto amin'ny internet. Mety mahita zavatra hafa azo atao koa aza ianao.
Ny tokony hatao?
Raha vonona ny hiara-miasa aminay ianao dia mandefasa hafatra amin'ny adiresy contact@katolika.org milazalaza ny momba anao sy ny fiaraha-miasa irinao handraisana anjara. Hamaly anao izahay.
Ny fanaovana azy?
Aza mieritreritra hoe tsy afaka handray anjara ianao satria tsy misy zavatra hainao. Misy hatrany ny zavatra hainao sy ny zavatra azo ampianarina anao... ary ny zavatra azonao atao. Koa aza misalasala ny momba izay. Hatoronay anao ny zavatra azonao atao.
Dia mandray inona?
Hatramin'izao dia manampy antsitra-po avokoa ny ato amin'ny ekipa. Tsy misy fidiram-bola mantsy ny zavatra avoaka eto fa ny any am-paosy aza no mivoaka ho an'ny sasany. Fisaorana lehibe sahady no atolotra ho anao raha vonona hanampy ianao. Inoako fa miara-misaotra anao toa izany koa ireo Katolika maro mitsidika ity takelaka ity. Ary ny tena zava-dehibe dia fandraisana anjara amin'ny asa fampielezana ny Vaovao Mahafaly no ataonao ka Izy ilay naniraka no hamaly soa be anao.
Hevitra
rdrol - 05/01/2013 11:45
Miarahaba ny Mpikarakara.
Naika mba hanontany izahay hoe misy fiaraha-miasa na fifanakalozam-baovao ve aminareo sy ny Aumonerie Catholique des Malgaches de France ACMF, na ny filazana ny vaovao momba ny zaikabe fotsiny aza ?
Misaotra indrindra amin'ny valim-panontaniana.
Izaho dia katolika, mpampianatra amin' ny Sekoly Teknikan' ny Fanjakana ary manontany fanazavana mombany hoe "Oeucuminisme" na hoe "Fiombonana eo anivon' ny Finoana". Dia samia ho tahian' Andriamanitra daholo.
Ny "Oeucuminisme" aloha dia asan'ny Fanahy Masina, "Mba ho iray ihany anie izy rehetra ". Manomboka amin'ny fandalinanao ny finoanao ny "Oeucuminisme", indrindra @ izao taonan'ny finoana izao. Tsy lasopy be mifangaro akory ny "Oeucuminisme". Fa fanajàna ny finoana ny hafa mitambatra ao @'ny FFKM eto Madagasikara, ka miseho @ fiaraha-mivavaka volana Janoary, ny DIEM
Izay aloha fa @ manaraka !!!!
Santomiki
Miarahaba,
Mba misy pejy ahitana ny matoan-dahatsoratra rehetra araka ny taona (ohatra 2016) ve azafady fa te hijery ny matoan-dahatsoratra tany aloha izahay dia tsy afaka mijery avy hatrany fa voatery manao "précédent" be dia be avy amin'ny matoan-dahatsoratra nivoaka ny alahady farany teo. (ohatra ana rohy ahitana azy: http://katolika.org/matoan-dahatsoratra/taona-2016/)