Isaoranay ianao ry Trinite Masina

Isaoranay Ianao ry Trinite Masina
Nanome anay ireo Ray, velominay anarana
Izay efa nangina anie, izay fanorenana
Raha tsy teo ny fanavaozana, noho ny fitiavanao

1- Satrinay tsy andamoka , ilay afom-pitiavana
Ka nohavaozinao tamin’ny herin’ny Fanahy
Mba hitohy hatrany, ny fanomezam-boninahitra
Ny fanomezam-boninahitra, an’Andriamanitra FITIAVANA

2- Ianao ry Ray Mpanorina, ianao mpanamafy orina
Dia samy Joany no anaranareo
Mba hitory hatrany, hitory fahafahana
Hitory fahafahana amin’ireo mpifatotra

3- Ianao ry Ray Mpanorina, ianao mpanamafy orina
Dia samy feno ny Fanahy ianareo
Voahiraka ianareo, hitory fibebahana
Hitory fibebahana amin’ny herim-pitiavana

4- Izahay ankehitriny izao anie, nandr(ay) ilo Fanasina
Mba ho samy mpihaino ny feon’ny Fanahy
Hafaho ireo zanako, voagejan’ny ota
Ho fanomezam-boninatra an’Andriamanitra Trinite Masina

(ATM / Pr. RANDRIAMAHITA Pierre) /ossttina
Nampiditra PVST
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089