Hatory am-piadanana aho : matoky ny foko.

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "304
  • Vavaka sy Hira p. "250
  • Fihirana Hasina p. "201
  • Fihirana Dera p. "168

Fiv
Hatory am-piadanana aho : matoky ny foko.

1 - Andriamanitry ny fahamarinana,
Ianao no mahalala izay ilaiko izao :
Henoy ny antsam-pivavahana
Mamindrà fo, miantra.

2 - Fa nahoana, ry zanak'olombelona,
No ho voatsiratsira ny Anarako ?
Ireo zava-poana sy ny lainga,
Dia ireo ve no tianareo ?

3 - Matahora ka aza dia manota ô,
Manenena ao am-po ka mitsahara re !
Manatera sorom-pahamarinana
Matokia dia matokia !

4 - Maro loatra ny olona milaza hoe :
"Iza ihany no hampahita ny hasambarana ?"
Ka ataovy miposaka aminay re
Izany tavanao, ry Iaveh !

5 - Dia hatory am-piadanana aho, ry Tompo o
Ho sondrian-torimaso avy hatrany aho,
Eo am-pelantananao ka tsy manahy re
Eo manko Ianao, ry Iaveh !

6 - Ho an'ny Ray Mpahary, voninahitra
Ho an'ny Zanaka Mpamonjy, voninahitra
Ho Anao, ry Fanahy Mpanamasina,
Voninahitra - Amen.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0083 s.] - Hanohana anay