Aoka tsy hatahotra ianareo

Nampiditra: Belle
Sokajy: Vavaka hariva, Salamo,


  • Fihirana Dera p. "218
  • Fihirana Hasina p. "410
  • Vavaka sy Hira p. "249
  • Ankalazao ny Tompo p. "286

Aoka tsy hatahotra ianareo,
Na dia vitsy aza ianareo,
Fa sitraky ny Rainareo e
Ny hanome ny fanjakany. (Lk. 12, 32)

(Sal. 4)

1 Raha miantso aho, valio, Andriamanitro,
 Fa ianao re no fahamarinako
 Ary ianao no namonjy amy sarotra,
 Koa iantrao ary henoy ny antsoantsoko.
 
2 Ianareo kosa, ho'aho, dia maninona
 No dia tia zava-poana sy fitaka?
 He ny Tompo miahy ny olo-maminy:
 Rah'vao miantso azy Tompo aho dia henony.
 
3 Mangovita, atsaharo ny heloka,
 Mandiniha eo am-pialana sasatra;
 'Zay fanatitra mendrika atolotra
 Ary dia itokio Andriamanitra.
 
4 Iza hoe no hampahita fiadanana?
 Asehoy ny endrikao Andriamanitra.
 Ny hafaliana nomenao, ry Tompoko,
 Mihoatra ny azy amy taom-pamokarana.
 
5 Raha vao mandry aho, matory am-piadanana
 Fa ianao ihany manko no tokiko;
 Eny, isaorako ianao Andriamanitro:
 Zanakao no nitondra fiadanana.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay