Mivalo aminao (Pr Riverdi)

1-Ianao Ilay nirahan’ny Ray
Hanasitrana ny fo sy ny fanahy
Nodianay tsy hita ireo asa vitanao
Tompo ô! Mifona Aminao izahay

Mivalo Aminao ‘zahay, ry Tompo ô!
Mibebaka amin’ny hadisoana nataonay
Hiantrao re fa very dia ‘zahay ry Tompo ô!
Tompo ô! Mamindra fo aminay.


2-Foinao ny tenanao , mba hanova anay
Hiala amin’ny hadalana sy ny karazam-pahotana
Nodianay tsy re ‘reo Teny nambaranao
Kristy ô! Mifona Aminao izahay.

Mivalo Aminao ‘zahay, ry Kristy ô
Mibebaka amin’ny hadisoana nataonay
Hiantrao fa mpanota ‘zahay zandrinao Kristy ô
Kristy ô! Mamindra fo aminay


3-Ho tia ny namana anie no Sitrakao,
Hampianatra anay hiaina ny tena hasambarana
Nodianay tsy fantatra anefa ny didim-pitiavanao
Tompo ô! Mifona Aminao izahay.

Mivalo Aminao ‘zahay, ry Tompo ô!
Mibebaka amin’ny hadisoana nataonay
Hiantrao re fa very dia ‘zahay ry Tompo ô!
Tompo ô! Mamindra fo aminay.
Nampiditra Sedra025
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0362