Nahoana no toa mihotakotaka ireo firenena

1 Nahoana no toa mihotakotaka ireo firenena?
 Ireto vahoaka toa valaka foana mitroatra?
 Indreo fa miatrana ireto mpanjakan'ny tany,
 Ny olom-baventy rehetra indreo fa mioko
 Tsy hiaiky ny Tompo Nahary sy ny olom-boahosony.
 "Andeha hotapahina, hoy ireo, tony rohy
 Andeha hialana tanteraka ny fitondrany".
 
       E, nikaon-doha marina tokoa
       Ny filohan'ireo firenena tsy mpino.
       Dia namorona tetika ratsy hanoherana
       Ilay Mpanomponao masina voahosotrao.
       Jesoa! Jesoa Kristy!
 
2 Mihomehy 'lay mitoetra any an-danitra any
 Fanesoana no ataony amin'ireo mpikomy
 Dia miteny amim-pahavinirana izy,
 'Reo mpanohitra indreo fa mangorohoro;
 "Mandrenesa f'izaho no nanendry, hoy izy,
 Eny, izaho no nanendry azy ho Mpanjaka
 Teo Siôna 'lay vohitro masina io".
 
       Novonoina i Jesoa sy nahantona,
       Fa natsangan'ny Ray nony feno hateloana,
       Dia naseho mba ho fantatry ny olona izany
       Tamin'ny vavolombelona niaraka taminy.
       Jesoa! Jesoa Kristy!
 
3 Koa ny didin'ny Tompo no hambarako eto:
 "Eny, Zanako ianao, hoy izy tamiko,
 Fa Izaho no niteraka anao androany".
 Angataho fa hatolotro ho lovanao
 Ny firenena rehetra sy ny vazan-tany.
 Anehoy fahefana, poteho ireny
 Dia ho montsana toy ny vilany tany.
 
       Indro to ilay fampanantenana
       Fa natsangan-ko velona i Jesoa Tompo,
       "Eny, Zanako ianao, hoy ny tenin'ny Ray:
       Fa izaho no niteraka anao androany".
       Jesoa! Jesoa Kristy!
 
4 Ko aoka ho fantatrareo, ry mpanjaka rehetra:
 Anaro ny tenanareo, ry mpitsaran'ny tany.
 Tompoy sy ekeo fahefana ny Tompo Andriamanitra;
 Avia miankohofa anatrehany, ombao fanajana,
 Fa sao dia ho very ianareo raha tezitra izy.
 Malaky mirehitra manko ny havinirany.
 Fa sambatra kosa ny olo-mifefy amin'ny Tompo.
 
       Fa voatendrin'ny Ray i Jesoa
       Ho mpitsara ny velona mbamin'ny maty.
       Ny anarany koa no ahazoam-panavotana
       Ny mpaminany rehetra mitory an'izany.
       Jesoa! Jesoa Kristy!

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Paka - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 351
Fihirana Hasina p. 621
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0918