Eny, Tompo ô, maraina mandre ny feoko Ianao

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Vavaka sy Hira p. "250
  • Fihirana Hasina p. "450

Eny, Tompo ô,
Maraina mandre ny feoko Ianao;
Eny, Tompo ô,
Ianao no ihantako amin'izay ilaiko izao.
 
1 Tompo ô, mandrenesa izany teniko ianao,
 Ka mba henoy ny fitarainako:
 Ry Mpanjakako sady Tompo Andriamanitra ô,
 Ianao re no antsoiko sy ivavahako.
 
2 Tompo ô, tsy mba Zanahary tia ratsy ianao,
 Ny mpanota tsy hitoetra ao aminao:
 Ny adala tsy mba eo imasonao,
 Ankahalainao ny ratsy vitan'izy ireo.
 
3 Tompo ô, noho ny hatsaram-ponao lehibe,
 Dia hiditra ny tranonao aho,
 Sy hiankohoka ao an-toeranao masina:
 Hanaiky sy hisaotra anao izao tontolo izao.
 
4 Tompo ô, mba tariho amin'ny fahamarinanao
 Ny fon'ny mpino izay matoky anao;
 Hamarino anoloako izany làlako;
 Ireo fahavaloko, ry Tompo, hatahotra.
 
5 Tompo ô, mba ravao ny fikasan'ny olon-dratsy,
 Hibebaka aminao izy ireo;
 Hafaliana lalandava kosa eto aminay:
 Hihoby anao, hidera anao 'zahay vahoakanao.
 
6 Tompo ô, voninahitra sy laza anie ho anao,
 Ho anao, ry Ray Andriamanitray,
 Ho an'ny Zanaka Mpanavotra an'izao tontolo izao,
 Ho an'ny Fanahy Zanahary Mpanamasina.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay