Nahoana no toa (Salamo 2)

Nahoana no toa mihotakotaka ireo firenena?
Ireto vahoaka toa valaka foana mitroatra?
Indreo fa miatrana ireto mpanjakan'ny tany,
Ny olom-baventy rehetra indreo fa mioko
Tsy hiaiky ny Tompo Nahary sy ny olom-boahosony.
"Andeha hotapahina, hoy izy ireo, toy ny rohy
Andeha hialana tanteraka ny fitondrany".

Tsy izany va re no niseho tamin’ny jerosalema
Nahatonga ny Majy nilaza fa teraka hono
Ilay olomboahosotra hanjaka amin’ny Israely

Ka nangorohoro Heroda ka tezitra mafy a!
Dia indro nikatsaka izay hamonoana ilay zaza,
Kinanjo nandripaka ain-janakolona maro!

Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa Zanak’i Davida
Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa Zanak’i Davida

2 - Mihomehy 'lay mitoetra any an-danitra any
Fanesoana no ataony amin'ireo mpikomy
Dia miteny amim-pahavinirana izy,
'Reo mpanohitra indreo fa mangorohoro;
« Mandrenesa f'izaho no nanendry hoy aho »
"Mandrenesa f'izaho no nanendry, hoy izy,
Eny, izaho no nanendry azy ho Mpanjaka
Teo Siôna 'lay vohitro masina io".

Dia efa valaka foana ireo mpankahala
Ny fotoana voatendry tsy mbola tonga
Fa Jozefa nataon’izy Tompo hoe :
« Mitsangana mizora mankany Ejipta ,
ary ento ny vady aman-janakao
fa misy mifofo ny ain’ny zaza

Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa Zanak’i Maria
Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa Zanak’i Maria

3 - Koa ny didin'ny Tompo no hambarako eto:
"Eny, Zanako ianao, hoy izy tamiko,
Fa Izaho no niteraka anao androany".
Angataho fa hatolotro ho lovanao
Ny firenena rehetra sy ny vazan-tany.
Ny firenena rehetra sy ny vazan-tany.
Anehoy fahefana, poteho ireny
Dia ho montsana toy ny vilany tany.

I Jesoa nony avy natao batemy
Tamin’ny Ranon’ny onin’ny Joridany
Dia indro ny lanitra fa nivoha
Ary nidina taminy ny fanahy

Dia injay nisy feo avy tany an-danitra
Eny ´zanako ianao hoy izy taminy
Izaho no niteraka anao androany

Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa avy any Nazareta
Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa avy any Nazareta

4 - Ko aoka ho fantatrareo, ry mpanjaka rehetra:
Anaro ny tenanareo, ry mpitsaran'ny tany.
Tompoy sy ekeo fahefana ny Tompo Andriamanitra;
Avia miankohofa anatrehany, ombao fanajana,
Fa sao dia ho very ianareo raha tezitra izy.
Malaky mirehitra manko ny fahavinirany.
Fa sambatra kosa ny olo-mifefy amin'ny Tompo.

Samia mihaino izao teniko izao ry vahoaka
Fa indro mpamonjy no teraka anio ho anareo
I Kristy Tompo , avia miankohofa anatrehany

Ka Tian’Andriamanitra loatra ny olon-drehetra
Ny zanany efa nomeny tanterak’izao a!
Hamelona mandrakizay an’ireo mino azy

Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa Zanak’Andriamanitra
Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa Zanak’Andriamanitra
Hitanay ilay nambaran’ny mpaminany e
i Jesoa Zanak’Andriamanitra
Nampiditra HarryssonM
Sokajy Noely - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118