Voninahitsa

Voninahitsa eia (x2)
Voninahitsa ho Anao Andriamanitsa ô
Fiadagnana e e! Fiadagnana
Ho an’ny olona rehetra

Midera Anao! Midera Anao agnay e e!
Mankalaza Anao, mankalaza Anao agnay e! e!
Mitsaoka Anao agnay e!
Mihoby ny Hasinao agnay e!
Voninahitsa ho Anao
Noho ny haben’ny hatsaram-ponao

Razezo Kristy, Zanaka lahitokana
Zokinay Agnao, zanaky ny Ray e!
Mamindra fo aminay e!
Fa mpanota agnay e!
Voninahitsa ho Anao
Ho anao mpanjakanay

Voninahitsa e! Voninahitsa eia (x2)
Agnao raika ro Masy
Agnao raika ro Tompo
Agnao ro avo indrindra
E Razezo Kristy ô
Voninahitsa e! Voninahitsa eia (x2)

Miaraky amin’ny Fanahy Masy eia
Ao amin’ny voninahitsa e
Ao amin’ny voninahitsa eia
Andrianagnahary Ray ô

Miaraky amin’ny Fanahy Masy eia
Ao amin’ny voninahitsa e
Ao amin’ny voninahitsa eia
Andrianagnahary Ray Amen…!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0094