Saotra Dera
Saotra dera ho an’ilay Mpahary
Izay nanome izao anio izao
Be ny soa noraisinay fa teo koa ny jaly
Dia mbola hisaoranay ny anaranao
Jesoa Kristy ilay mpanalalana
Tonga tety nitondra fiadanana
Sy ny Fanahy izay nanoro ny atao
Dia mbola hisaoranay ny anaranao.
Ref :
Koa mahaiza mibebaka
Amin’ireo otan-tsika
Ka mazotoa mba hanaraka
Ny lalam-pitiavana
Ireo Zoky am-pinoana izay taloha
Nanolokolo ry nampianatra ny soa
Nijoro tamin’ny finoana nanaiky anao
Zary fanilo miampita hatramin’izao (X2)
Dia mbola hisaoranay ny anaranao…
Izay nanome izao anio izao
Be ny soa noraisinay fa teo koa ny jaly
Dia mbola hisaoranay ny anaranao
Jesoa Kristy ilay mpanalalana
Tonga tety nitondra fiadanana
Sy ny Fanahy izay nanoro ny atao
Dia mbola hisaoranay ny anaranao.
Ref :
Koa mahaiza mibebaka
Amin’ireo otan-tsika
Ka mazotoa mba hanaraka
Ny lalam-pitiavana
Ireo Zoky am-pinoana izay taloha
Nanolokolo ry nampianatra ny soa
Nijoro tamin’ny finoana nanaiky anao
Zary fanilo miampita hatramin’izao (X2)
Dia mbola hisaoranay ny anaranao…

