Indro tamy ilay Tompo Mahery

Indro tamy é, Ilay Tompo mahery é. 2x
Eo an-tanany ny fahefana ny hery voninahitra é
Mitsangana, mitsangana! Mandehana mitsena ny Tompo o!
Izy Tompo no miseho amin-kery sy voninahitra é é!
Indro Izy é!

Mitsangana! Mandehana hitsena ny Tompo
Izy Tompo ou ou ! No miseho amizao tontolo izao

1-Atsika jiaby éia! Indro tamy ny Tompo oia!
Dia ‘lay Tompon’ny hery éia, Hanavao ny tany éia!
Aoka atsika éia, Mba hiomagna tsara éia!
Fa fitiavany atsika éia, Ny antony hatongavany éia!
Mba hamboara oia, Ny fomba fataontsika éia!
Avy Tompo mahery éia, Azy ny ny voninahitra éia!

2-Atsika jiaby éia! Mila magnaraka i Jesoa oia!
Raha Izy no arahigny éia, Tsisy ‘zay tsy ho sambatra éia!
‘Zay magnaraka Azy éia, Dia tsy mety ho very éia!
Fa mira-mifaly éia, Amireo olo-masigny éia !
Koa dia mitsangana éia, Nda hitsena ny Tompo oia!
Avy Tompo mahery éia, Azy ny voninahitra éia!

(Cyrile Marotandrano)
Nampiditra djveveRg25
Sokajy Fihobiana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0088