Inty aho Tompo ô (T. Albert)
Inty aho Tompo ô, manolo-tena ho Anao
Vonona hanatontosa ny hafatrao
Iraho aho Tompo ô, na dia tsy mendrika aza
Osa sy malemy, sady feno ota
---- (2 fois) ----
Kanefa mahatoky, sady mino aho
Tsy hiverin-dàlana, vonona hatrany hatrany
Ndray ino sakana, ndray inona ny olana
Mangata-pamonjena fa tsy maintsy miroso
Mahatoky Anao zaho Zagnahary
Fa homba zaho foana Ianao
Hanambara ny tokony hataoko
Sy izay mendrika
Omeo ahy Ray ô, fanahy mpanoro lalana
Avitako ankitigny mampiely ny hafatrao
---- (2 fois) ----
Vonona aho Kristy ka omeo hery hatrany
Mba hanaovako ilay beko napetrakao
Hitondrako ny hafatrao manerana ny vazantany
Mandra-pahatapitra ny fiainako aty e e
Omeo angôvo aho Tompo ô, mba tsy ho lavo an-dalana
Fa maro fakam-panahy, ka sarotra toherina
Mahatoky Anao zaho Zagnahary
Fa homba zaho foana Ianao
Hanambara ny tokony hataoko
Sy izay mendrika
Omeo ahy Ray ô, fanahy mpanoro lalana
Avitako ankitigny mampiely ny hafatrao
---- (2 fois) ----
Vonona hanatontosa ny hafatrao
Iraho aho Tompo ô, na dia tsy mendrika aza
Osa sy malemy, sady feno ota
---- (2 fois) ----
Kanefa mahatoky, sady mino aho
Tsy hiverin-dàlana, vonona hatrany hatrany
Ndray ino sakana, ndray inona ny olana
Mangata-pamonjena fa tsy maintsy miroso
Mahatoky Anao zaho Zagnahary
Fa homba zaho foana Ianao
Hanambara ny tokony hataoko
Sy izay mendrika
Omeo ahy Ray ô, fanahy mpanoro lalana
Avitako ankitigny mampiely ny hafatrao
---- (2 fois) ----
Vonona aho Kristy ka omeo hery hatrany
Mba hanaovako ilay beko napetrakao
Hitondrako ny hafatrao manerana ny vazantany
Mandra-pahatapitra ny fiainako aty e e
Omeo angôvo aho Tompo ô, mba tsy ho lavo an-dalana
Fa maro fakam-panahy, ka sarotra toherina
Mahatoky Anao zaho Zagnahary
Fa homba zaho foana Ianao
Hanambara ny tokony hataoko
Sy izay mendrika
Omeo ahy Ray ô, fanahy mpanoro lalana
Avitako ankitigny mampiely ny hafatrao
---- (2 fois) ----

