Hira faneva JMJ Mada 7 Diégo
1- Fahasoavana nomenao ny Fiangonana
Fitiavana tsy mihatasara ivelatsihy
Mampifankatia anay sady mampiray
Samy zanakao ry Ray Ô
Ny Teninao no ivelomanay
Sady antoka iankinanay
Mankahery anay manamasina ny Tany ahafahanay manompo ny Tanindrazanay (bis)
Ref:
'Ndreto manantena izahay tanoranao
(Tanoranao o o)
Sahy mijoro (ao amy) amin'ny finoana
Manorina ny fiainanay
Ao aminao Kristy
Ny herin'ny Fanahy e e e
No mampiray anay
Ny asa soa ataonay
Ho voninahitry ny Ray
2- Ny voaary nomenao mba hiadananay
Kristy no fahamarinana ijoroanay
Ny Hazo fijaliany famantaram-pamonjena
No ho reharehanay
Sakafo ivelomanay,
Isan'andro isan'andro vaky
Ny Eokaristia manatsara ny fiainanay Ahafahanay manorina fiainam-baovao (bis)
3- Ry Ray ô 'zahay hitondra ny hafatrao
Tsy ahatahotra tsy ho menatra ny Anaranao
Satria ny Fanahinao no mpitsimbina mpanazava
No mampiteny anay ry Ray ô
Masina Maria tsy miala anay
Izy ilay Renin'Andriamanitra
Reny tsy mahafohy miara-dàlana aminay ahafahanay manohy hatrany ny dianay (bis)