1.
Tsy volamena, tsy volafotsy
No nankatoavanao ny tenin ny Anjely
Fa Fanahy Masina avy amin'ny Ray
Nampamiratra ny endrikao Maria ô!
Soa nohon'ny vehivavy rehetra ianao
Tsy tratry ny saina ny hatsaranao ô
Renin'ny virijiny rehetra ianao, Maria ô
Madio indrindra ny toetranao ô.
Fiverenana:
Maria ô, inona ny soa havalinay anao ô?
Fa lehibe loatra ny fitiavanao ô
Maria ô, jereo re fa mitalaho izahay e
Sombin'ny ainao manko ny ainay e.
2.
Virijiny reny nahazoana famonjena
'Lay virijiny voatokan'ny Ray
Ambony nohon'ny zava-boaary ianao
Avy aminao i Kristy, Maria ô
Ny ozon'i Eva nosoloinao tso-drano soa ho anay
Nanamaivana ny fahoriana
Noresenao koa ny fahotan-drazanao ô
Mba hiraisanay amin'ny zanakao
3.
'Lay Andriamanitra namolavola
Izay misy sy izay mety hisy
Namorona ny Tenany tamin'ny Fanahy Masina
Tao ambohokao, Maria ô
Andriamanitra no Ray mpahary izao tontolo
Ianao kosa renin'ny zavaboaary e
Izy Tompo no nampisy, niainga tamin'ny tsy misy
Ianao indray no niteraka "an'Ilay Misy".