(André Besabotsy)
Tianarô lahabe e e ia ny Tenin’ny Tompo ?
Tianay, ankatoavinay, tanterahinay
Amin’ny fiainanay e e
Ny Tenin’ny Tompo.
Aleloia a e e
Aleloia a a Aleloia e e ia.
Mahery e ny Tenin’ny Tompo,
Teny maharitra mandrakizay,
Masiñy e ny Tenin’ny Tompo,
Mankamasiñy antsika rehetra.
Fiainaña e ny Tenin’ny Tompo,
Mahaveloño ny olo jiaby,
Manoro antsika ny lala-marina,
Manambara izay mety hatao.
Tsara e ny Tenin’ny Tompo,
Ampianaro amin’ny tany rehetra,
Miantso ny olona eran-tany,
Hanatona ilay Nahary.
Manome hery ny mino Azy,
Mampino izay tsy mino,
Milaza e ny Fiadanana,
Mitso-drano ny olo-jiaby.
Manafaka ny vahoaka amin’ny fangejana,
Manala amin’ny ratsy rahetra,
Manala amin’ny haizin’ny fahotana,
Manome aim-baovao.