Voninahitra anie ho an'Andriamanitra, any amin'ny avo indrindra (Mgr Tabao)

(Mgr Tabao)
Voninanahitra anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra
Fiadanana e, ho an'ny olona ety ambonin'ny tany
fa nanehoany ny hatsaram-pony,
fa nanehoany ny hatsaram-pony.

1. Midera Anao izahay
Mankalaza Anao izahay
Mitsaoka Anao izahay
Misaotra Anao e

2. Mihoby ny hasinao izahay,
Misaotra Anao noho ny haben'ny voninahitrao e

3. Ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan'ny lanitra,
Andriamanitra Ray, mahefa ny zavatra rehetra
Ry Jesoa Kristy Tompo, Zanaka lahitokana e

4. Ry Tompo Andriamanitra, Zanak'ondrin'Andriamanitra
Zanaky ny Ray, Zanaky ny Ray
Manala ny fahotan'izao tontolo izao Ianao,
ka mamindrĂ  fo aminay

5. Manala ny fahotan'izao tontolo izao Ianao,
ka raiso ny fifonanay

6. Fa Ianao irery no masina, Ianao irery no Tompo
Ianao irery no avo indrindra, ry Jeso Kristy Ă´,
Miaraka amin'ny Fanahy Masina
Ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray e!
Nampiditra j_rahasa
Sokajy Voninahitra
Fihirana Vaovao p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082