(Bernardin)
Salañitra e !
Ivolaña Zañahary e !
Tandriñesa !
Aleloia ia e !
Aleloia o o o ia !
Volaña Zañahary e ia !
Izao ny teny ambarako anareo :
“Ny fiadanako no avelako ho anareo,
Ny fiadanako no omeko anareo”.
Aparitaho ny tenin-dRañahary,
Toriho fahafahana ireo migadra.
Omeo hery ny torotoro fo,
Manaova soa amin'ny malahelo,
Izany no fitiavan-dRañahary (in-2).
Torio amin'ny vahoaka eran-tany ny Teniko,
Ataovy batemy amin'ny Anarako izay mino.
Torinay e ! Ankatoavinay e !
Torinay amin'ny fiainanay, Aleloia !
Volaña Zañahary e ia !
Izao re ny Tenin-Jañahary e !
Hampahirato ireo jamba,
Alamino ireo izay ady an-trano.
Ampibebaho ireo izay mpanavakavaka,
Asandrato ireo madinika.
Hofongorana ny fiavonavonana,
Vonjeo ny tra-pahoriana.
Izany no fitiavan-dRañahary (in-2)