TIANAY NY TENIN’NY TOMPO doublon

Nampiditra: admin
Sokajy: Tenin'Andriamanitra,


  • Antsao ny Tompo p. "255

(Tianarô lahaby e ia, ny Tenin’ny Tompo ?
Tianay, ankatoavinay, tanterahinay
Amin’ny fiainanay e e !
Ny Tenin’ny Tompo.

Aleloia e e aleloia a a aleloia e e ia !

Mahery ny Tenin’ny Tompo,
Teny maharitra mandrakizay.
Masiny ny Tenin’ny Tompo,
Mankamasiny antsika rehetra.

Fiainana e ! ny Tenin’ny Tompo,
Mahavelono ny olo jiaby,
Manoro antsika ny lala-marina,
Manambara izay mety hatao.

Tsara e, ny Tenin’ny Tompo,
Ampianaro amin’ny tany rehetra.
Niantso ny olona eran-tany,
Hanatona ilay Nahary.

Manome hery ny mino azy,
Mampino izay tsy mino.
Milaza e, ny fiadanana,
Mitso-drano ny ôlo jiaby.

Manafaka vahoaka amin’ny fangejana,
Manala amin’ny ratsy rehetra,
Manala amin’ny haizin’ny fahotana,
Manome aim-baovao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0067 s.] - Hanohana anay