(Olombelona miloloha lanitra izahay Tompo ô !
Mandia tany mety diso solafaka.
Tsy nanaja Anao izahay,
Mifona ka iantrao re.
Tompo ô, Tompo ô !
Mamindrà fo aminay e ! (in-2)
Tsy mahasahy mijery Anao izahay Kristy ô !
Satria tsy tia ireo namanay.
Vonjeo ireto zandrinao,
Mifona mivalo re !
Kristy ô, Kristy ô !
Mamindrà fo aminay e (in-2)
Matetika tsy manaja ny Vatanao izahay,
Ka minia manary ireo hafatrao.
Tsy nandray ny hasin'ny Fanahinao,
Mifona mibebaka aminao
Tompo ô, Tompo ô !
Mamindrà fo aminay ! (in-2)