(Athanas MAZAVA)
Oe! Oe ! hoy antson'ireo Anjely
Manambara any an'efitra, fa :
Tonga ny Mesia (in-2).
K'aza matahotra ianareo ry mpiandry ondry,
Hafaliana be no ambara aminareo;
Teraka ho anareo Jesoa ilay Mesia,
Kê Gloria, in excelsis Deo.
-- Ary ianao ry Betlehema soa,
-- Tsy ianao no kely indrindra
-- Amy vohitr'i Jodà;
-- Avy aminao no ipoiran'ny famonjena !
-- Mesia ! - Emanoela Gloria !
-- Mpanjakan'ny mpanjaka Aleloia !
Notarihin'Andriamanitra ny Majy avy Atsinanana,
Nentanin'ny finoana tsy natahotra lalan-tsarotra,
Nanolotra fanomezana ho an'ny Zanak'i Davida,
Kê Gloria, in excelsis Deo !
Romotry ny hatezerana i Herôda mpanjaka
Namono nahafaty zazamena marobe
Josefa, Maria, Jesoa navotan'Andriamanitra
Kê Gloria, in excelsis Deo !