()
O a baba oa nindry e !
Tombô zaho zeny e e !
Joroa mba hanjary e (2)
Tapa-kevitra fa handeha e e e !
Handeha hiala tanàna,
Kê fafazanandre rano ô !
Handeha hitady ny tsara e e e !
Tsy karama, tsy vakitany e e e !
Kê fafazanandre rano ô !
Hanompo Zanahary e e e !
Tsy tery fa sitra-po !
Kê fafazanandre rano ô !
Amia jôro amia sahoby e e e !
Ho tsara dia hanaranara e e e !
Kê fafazanandre rano ô.
Hahari-dreky hazava fo ô ô
Tsy hanavaka tsy hisifa !
Kê fafazanandre rano ô !
Ho tia ôlo, ho tian’ôlo,
Hanaja havana, hajain-tany e e e !
Kê fafazanandre ranô.
Fanaingana :
Zanahary manampy, razana mitahy,
Andre ray aman-dreny angahoana jôro,
Tsy malainy raha manjary,
Fafazo rano zanakandre ho tsara jôro.
a)Hambinin-Janahary e ! -- A Nindry e, joroa 'zaho !
Hanana faharetana, -- « -- «
Hohanin'ôlo angôvo, -- « -- «
Hatozin-draha anony. -- « -- «
b) Tsy harahin-tohin-drazana e !
Tsy arahin'alahelo,
Hanjary tavandrainy e !
Aza osa, aza tarareny.
Oa Baba, Oa Nindry e !
d) Handeha anao zanako,
Dian'aomby marin-tanana,
Harahin-jandry maro, aza fatarin-tany e !
Hangatsiatsiaka, hanaranara.