Oà Dady, Dadilahy doublon

Nampiditra: admin


  • Antsao ny Tompo p. "189

(Joseph Justin)

Oà Dady, Dadilahy e e !
Mangaho jôro aminare ‘zaho,
Joroà ‘zaho ô !
Añy are Razaña jiaby e e e !
Mangaho jôro aminare ‘zaho,
Joroà ‘zaho ô ia !
Na ny am-pôkon-dRay
na ny am-pôkon-dreny e e !
Mangaho jôro aminare ‘zaho,
Joroà ‘zaho ô ia !

Ô joroanare ‘zaho, Joroà ‘zaho ô ia !
Handaiha ‘zaho tô lahy e !
Handaiha hiala tanaña rô,
- Kay tsy karama, tsy vaki-tany ‘zany e !
- Fa hanompo Zañahary ‘zaho ô !
- Sy hanompo ny ôlombeloño ô !
Mba hanaña faharaitana à !
Tsy ho òsaòsa amin-draha atà ‘zaho ô !
Hangatsiatsiaka, hanaranara,
Oà Dady e, Dadilahy e !
Ô Joroa, joroa ‘zaho ! (in-2)

Oa Iada, oà Niny e e !
Mangaho jôro aminare ‘zaho,
Joroà ‘zaho ô ia !
Eo koa are havaña jiaby à à !
Mangaho jôro aminare ‘zaho,
Joroà ‘zaho ô ia !
Na ny am-pôkon-dRay
na ny am-pôkon-dReny e e ! --
Mangaho jôro aminare ‘zaho,
Joroà ‘zaho ô !

Ô joroanareo ‘zaho, Joroà ‘zaho ô ia !
Ho tian’ôloño, ho tia ôloño ô !
Hazava fô amin-draha atà ‘zaho ô.
- Hanjary tavandraiñy
amin-draha atà ‘zaho,
- Ho dian’òmby marin-tañana,
- Ka harahin-jandry maro ‘zaho ô,
Ary tsy hibolila amin-draha atà ‘zaho ô,
Fa haharitry hatramy farany e !
Tsy harahin-tôhin-drazaña,
Hañara-dia an’i Kristy ‘zaho ô !
Hitory Vaovao Mahafaly e !
Oà Baba ee, Oà Niny e e !
O joroa, joroa ‘zaho. . (in-2).


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.3908 s.] - Hanohana anay