(Bernardin)
Ia e e, tsara andre Razako,
Tsy malainy zaho.
Any andre Razana jiaby e !
Razana ampokon-dRay sy ampokon-dReny,
Mangaho joro zafin'Andre e !
Ke fafazan'Andre rano.
E e e, tsara Razako ô !
Ia e e tsara andré Razako,
Tsy malainy zaho ô !
André antsovina tsy hafarim-peo,
Zahay mpagnantso dia mba ho ravoravo.
Ho tsara joro ho tsara rano androana,
Tsy ho osaosa amin-draha tsaboina.
Razako ô ô !
Handeha hagnano raha manjary,
Raha manjary hiviloman'olo jiaby.
Tsy ho hisy atao ankilabao,
Fa samy zanaka olo araiky.
Razako ô ô !
Tsy hiady tany, tsy hiady lova,
Fa ho mpitandro fananana mahatoky.
Sady tsy hikarama tsy hila tambiny,
Fa vonona hivelona amin'ny herin-tsandry.
Razako ô ô !