Samihafa fomba

Samihafa fomba, samihafa fiteny
Nefa kosa iray vatsy, iray aina
I Kristy ilay Teny tonga nofo
Ny vatany no mampiray

Andao isika hifankatia f'izany no didiny
Andao isika hifankatia,
F'izany no ahafantarana fa mpianatr'i Kristy
F'izany no ahafantarana fa mpianatr'i Kristy

Samihafa loko, samihafa fiaviana
Samy zanaky ny Ray ato an-dapa
Nofon-kena mitam-pihavanana
Ny vatana aman-dRĂ n'i Jesoa

Andao isika hifankatia f'izany no didiny
Andao isika hifankatia,
f'izany no ahafantarana fa mpianatr'i Kristy
F'izany no ahafantarana fa mpianatr'i Kristy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0135