(Marcel Rasamy
Ry Tompo ô, ry Tompo ô !
Raiso aho hanaraka Anao :
Hamehy tena, hanatontosa ny hafatrao,
Efa osa sy malemy ny olombelona,
Omeo hery tsy hivadika Aminao.
Maro loatra ny fandriky ny demony,
Mety hamingana, handreraka.
Tsy mahomby izay atao raha tsy eo Ianao.
Ry Tompo ô ampio aho ho tia Anao. (in-2).
Ry Tompo ô, ry Tompo ô !
Mahalala ny zava-drehetra.
Fantatrao ny toetrako sy ny kilemako,
Ampianaro aho hanaraka Anao.
Ry Tompo ô, fiainanay Ianao.
Fa Ianao no lalana sy fahamarinana,
Hankanesanay any amin’ny Ray
Mba tohano izahay tsy handeha irery
Ry Tompo ô, arovinao izahay. (in-2).
Ry Tompo ô, ampianaro izahay.
Ry Tompo ô, arovinao izahay.
Ry Tompo ô, mamindra fo aminay.