(Joseph Justin)
Ravoravo ny aiñy, mandihy ny sarôtro,
Mahita ny zavatra vitanao Zañahary e ià
Mahaliaña ny eto an-tany e,
mandiniky ny voaary
Izay namboarin’ny tañañao,
Ka mahavelom-pisòraña e ià.
Misòtra Zañahary e ! (in-2)
Misòtra e ià !(in-2)
Anà nañano ny tany e ià !
Anà nañano ny langitry e ià !
Anà nañano ny rano ô ià !
Sy ny biby izay ao añatiny e ià !
Oà Zañahary e, ô rô à Baba.
Misòtra e ià ! (in-2)
Anà nañano ny ala e ià !
Sy ny biby izay ao añatiny e ià !
Anà nañano ny ôlombeloño ô ià !
Anà nitsinjo azy hatrany e ià !
Oà Zañahary e, ô rô à Baba.
Misòtra e ià ! (in-2)
Nomenao ny Zanakao ô ià !
Nofantsihiñy tamin’ny hazo ô ià !
Kanaifa nitsangana tamin’ny maty e ià !
Mba hamonjy anay ôlombeloño ô ià !
Oà Zañahary e, ô rô à Baba.
Misòtra e ià ! (in-2)
Nañano ny Eokaristia e ià !
Izay fanako ny ôlo-jiaby e ià !
Ny haniñy izay mamelombeloño ô ià !
Izay mameloña anay mandrakizay e ià !
Oà Zañahary e, ô rô à Baba.
Misòtra e ià !(in-2)
Nañasitraña ny marary e ià !
Namonjy ny tra-pahoriaña e ià !
Nañafaka ny migiadra e ià !
Nampandaiha ny mandringa e ià !
Oà Zañahary e, ô rô à Baba.