Voninahitra anie ho an'Andriamanitra e
Any amin'ny avo indrindra e ia
Fiadanana anie ho an'ny olombelona ô
Ety ambonin'ny tany e ia
Ref. Voninahitra ho anao e!
Voninahitra e e ia.
1 - Midera Anao izahay e ia !
Mankalaza Anao izahay e, ia !
Mitsaoka Anao izahay e e!
Mihoby ny hasinao zahay e ia !
2- Ry Jesoa Kristy e ia !
Ianao no zanaka lahitokana e! ia
Ry Tompo Andriamanitra
Zanak'Ondrin'Andriamanitra Ray e!
3- Mipetraka eo ankavanan-dRay e,ia
Ka mamindrà fo aminay e!
Ianao irery no masina sy Tompo
Ianao irery no ilay avo indrindra
4- Ry Tompo Andriamanitra
Anao mpanjakan'ny lanitra e ia
Andriamanitra Ray mahefa a a a
Mahefa ny zava-drehetra e ia!
5- Manala ny fahotan' izao tontolo o ia!
Ka mamindrà fo aminay
Manala ny fahotan'izao tontolo
Ka raiso ny fifonanay e e e e ia!
6- Ry Jesoa Kristy e ia
Ianao no mpanalala anay
Miaraka amin'ny Fanahy Masina
Ao amin'ny voninahitra Andriamanitra Ray
Amen!