SAKAFO MAHAVELOñO doublon

Nampiditra: admin
Sokajy: Komonio,


  • Antsao ny Tompo p. "350

Sakafo mahaveloño ô ! (2)
Mahaveloño ny besinimaro,
Ny Eokaristia namian'i Kristy e e ia !
Mofo sy divay norasarasainy,
tamin'ireo Apôstôly mpianany e e ia !
" Inty no vatako, raiso ary hano,
Inty no rako, raiso ka sotroy "
Ataovy karaha zeny koa,
Mameloño ny vahoakako,
Ho fahatsiarovana e ny fitiavako :
Ny fitiavako anarô jiaby e ia !
Izay mihinana e ka mino zaho.

Ho veloño (2),
Ka tsy ho very mandrakizay e ee e i a !

Ny Eokaristia mampivondrona antsika jiaby,
-- mitondra firaisankina,
-- mankahery antsika jiaby,
-- mampitombo ny finoana.

Ny Eokaristia mampifankatia antsika jiaby,
-- manoro antsika jiaby ny lalana marina,
-- vatsy masina mahatoky,
-- sakafo mahavelono.

Ny Eokaristia manamaivana ny hasasarana,
-- mofon’ny fiainana,
-- fanantenan’ny marary,
-- sakafon’ny besininimaro.

Ny Eokaristia mampihavana antsika jiaby,
-- hafaliana sy voninahitra,
-- mampahita fiadanana
-- sakafo mahaveloño.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0067 s.] - Hanohana anay