1- Ry Maria maminay ô!
Zanakao re izahay
Ka tsimbino lalandava
Ety an-tany fiadiana Tsy mba madio fanahy
Na koa mba mahay
Ianao no hitondra anay
Any amin’I Jesoa ilay hitokiana
2- Ireo Ray sy Reninay
Mba ampio re ry Maria
Nahitanay ny masoandro
Ary tena tia anay tokoa Tsy ho solafaka eny an-dalana
Ka tsinjovy izany dia
Ny hanatranatr’izy ireny anie
Tsy mba havelanay ho lo
3- Ny Tanindrazanay
Jereo ry Reny be fitia
Fa nankinina aminao
Ahitanay Ilay tena soa Ny mpitondra anay arovy
Mba ho hendry tsy hania
Amin’ny fahamarinana
Sy ilay fahamasinana tokoa