Hiaina an-kafaliana

1. Hitady ny làlana tsara ny maso
Fa lavitra anao ny fiainako
Te-hifanampy sy hanao asa soa
Fa leon’ny fitiavan-tena ny fo
Ry Tompo ô herezo zahay
Mba vahao ny fatoranay
Hanorenam-piainam-baovao
Miaraka aminao
Mino aho fa miaina an-kafaliana
Voaantso mba ho sambatra ety
Tanora ô aiza ianao
Moa ve efa vonona izao
Hanambara ny fiadanan’i Kristy.

2.Te hiaina an-kalalahana ianao
Fa leon’ny teritery izao
Te hifandray sy hifankatia
Tsy mety ho kivy raha matoky an’i Kristy
Ry Tompo ô herezo zahay
Mba vahao ny fatoranay
Hanorenam-piainam-baovao
Miaraka aminao
Mino aho fa miaina an-kafaliana
Voaantso mba ho sambatra ety
Tanora ô aiza ianao
Moa ve efa vonona izao
Hanambara ny fiadanan’i Kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0205