Hira faneva ny fahatongavan'i Papa Ray Masina - mpamafy fiadanana sy fanantenana - septambra 2019

Nampiditra: j_rahasa


Iraky ny Ray, Apostolin’i Jesoa,
Dimbin’i Piera, Ianao ry Ray Masina ô
Vatolampy iorenan’ny Eglizy
Mpitàna ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra
Nirahina hitory eran’ny vazan-tany
Hampiray ny andian’ondrin’i Kristy
Hankahery ireo rahalahy sy anabavy
Hiorina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Faly izahay mandray anao Rainay
Hamafy ao am-ponay ny fiadanana azo antoka
Fanantenana vaovao no manentana anay
Hanorina ny ho avy ao amin’i Jesoa 

Apostoly tsy mahalala sasatra
Mivoaka, mitety vazan-tany
Manatona ireo eny anjorom-bala
Miaro sy miahy ny mahantra
Manolo-tanana, hampisokatra ny fo
Mandrava ny rindrin’ny fiolonolonana
Mampiray ny olombelona amin’ny Fitiavan’i Jesoa
Mpamafy fiadanana sy fanantenana

Misaotra anao ry Ray, Zanaka sy Fanahy
Fa notiavinao ity Nosy malalanay
Mandray ny Irakao, hampihavana sy hampiray.
Ny tananao anie hambomba ity Irakao.
Ry Jesoa fiainanay ô, tolory tanana izahay.
Na manonja aza ny rano, mahery ny tafiotra
Tsy ho rendrika izahay raha miaraka aminao.
Matoky fa ho mpandresy an’ilay Ratsy


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0428 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org