Ny androko anio

Raha vao mifoha maraina aho ry Jesoa ô
Dia mifoha miantso ny Anaranao
Manolotra ny androko anio ho tantananao
Hahefa be fa miaraka Aminao.

Ref: 
Ny fiainako efa fantatro fa Anao Jesoa ô
Dia mbola atolotro indray ho Anao re
Homeko iray manontolo hanjakanao
Ka izay alehako hiarahako Aminao

Ny tontolo androko ry Jesoa ô
Dia inoako fona fa mbola ho eo Ianao
Ka na malahelo aho na mijaly na faly koa
Dia matoky fa tsy handao ahy Ianao

Raha handeha hatory hiala sasatra aho
Mangata-pamelana avy Aminao
Ianao mpamindra fo no hamela heloka
Handefa ireo Anjely hiaro ahy

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2711