Hira Naoty

Nampiditra :
Daty : 02/12/2012

Hira vitsivitsy nangonina tetsy sy eroa. Ny sasany dia namboarina ka mety tsy lavorary. Raha toa ka manana hira ihany koa ianao dia afaka mandefa izany amin'ny contact@katolika.org  

Raha misy hira hafa tianao hangatahina koa dia azonao lazaina ery ambany dia ezahina hatao eo.

  1. 'Zany Teninao (Fihirana Hasina p. 154)
  2. Amboary ny lalan'ny Tompo
  3. Endrey mba mahafinaritra loatra
  4. Finaritra ny fo
  5. Mamela heloka (Fihirana Hasina p. 145)
  6. Mankasitraka e (Tsy natao ho olon-ko azy Fihirana Hasina p. 774) 
  7. Mesia sy Mpamonjy
  8. Mofo madio tsy misy lalivay (Fihirana Hasina. p. 611) 
  9. Mpianakavy isika 
  10. Ndeha hiroso izahay (Fihirana Hasina P. 630)
  11. Ny Teninao Tompo no faniloko (Fihirana Hasina p. 655) 
  12. Olombelona aho Tompo
  13. O Nivoha
  14. Ry Tompoko, 'lay endrikao 
  15. Vatolampy tsy mikoro (Fihirana Hasina p. 536)

 

Hevitra

admin - 08/03/2013 16:34
Mila atao ato ho ato

- O nivoha ny varavarana
- Mamiko indrindra ianao ry Tompo o
- Mino aho ry Tompo, ampitomboy ny finoako
- Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary
- Masina, Masina (Zafindraony)
- Fiadanana, homba antsika
- Ry Zanakondry (Zafindraony)
- Tompo o! Hitako maso
- Kintan'ny ranomasina.

Valio admin
santomiki - 10/06/2013 17:04
Miarahaba ny mpankafy hira katolika.
Mitady notes tsotsotra ohatrin'io FINARITRA NY FO
Ny notes ny hira "Ry Tompoko 'Lay endrikao" no mba tadiaviko
De misaotra mialoha an'zay manolotra eto !!
Valio santomiki
santomiki - 10/06/2013 17:07
Raha ohatra ka manahirana ny notes ny hira "Ry Tompko 'Lay endrikao"
dia mety koa ny hira midi "Ry Tompko 'Lay endrikao"
Misaotra betsaka mialoha
Valio santomiki
admin - 10/06/2013 23:45
santomiki> Nampidiriko ao maimaika ilay naotin'ny Ry Tompoko 'lay endrikao:

https://docs.google.com/file/d/0B5rN_kDrrpinbEFlUlZvaUVUbDA/edit?usp=sharing
Valio admin
santomiki - 13/06/2013 15:53
Misaotra fa voaraiko ilay naotin'ny "Ry Tompoko 'lay Endrikao"
fa hianarako anio hariva @ piano izy io.
Dia mankasitraka, samia tahian'Tompo !!

Ny fichier midi mantsy mety ahazoana ny notes @ ny logiciel musique, afaka
atap impression.
Valio santomiki
admin - 13/06/2013 15:57
Nataoko ato ny feony. Tsy dia tena tsara fa azo ianarana azy:

https://soundcloud.com/hery-radiovazogasy-serasera/fihirana-katolika-ry-tompoko

Valio admin
santomiki - 20/06/2013 07:24
Miarahaba anao!
Efa nianarako t@ piano "Ry Tompoko ilay endrikao" , ary efa haiko fa ny notes clé de FA
raha misy dia mba omeo fa raha mahita

Be fangatahana izaho, fa raha misy "Nty ny ora sarobidy". Misaotra mialoha
Valio santomiki
dinaroge - 13/08/2013 09:28
salama daholo o, misy manana ny naotin ilay hira "fitiavana mandrakizay" page 112 ao @ Hasina ve azfd?
Valio dinaroge
marcod90 - 15/09/2013 12:38
salama daholo a! Mba mangataka naotin'ireto hira ireto azafady :
-izaho no fananganako velona
-amin'ny anaran'i Jesoa
Misaotra indrindra
Valio marcod90
Just. - 04/05/2014 22:14
Salama,
Mba mila naoty ity hira eto ambany raha misy mahala.
1. Ianao ry Jesoa Tompo, Nanao ny sakramentan' Ny mariazy masina Hamonjy ny zanakao.
Ry Tompo maminay o, indreto ny zanakao Nanao ny fanekena teo anatrehanao:
Mangata-pitahiana sy tso-dranonao,
Ho ela velona izy am-panompoana anao.
2. Ny fanekena masina Mamatotra azy izao Tsy misy herin'olona Mahafaka azy ireo.
3. Jereo, ry havan-tiana, Josefa sy Maria: Nifankatia tokoa Ka mba ianaro izy ireo
4. Mifandefera indrindra ary mba mivavaha: Ireo tsarovy tsara Fa vato fehizoro
5. Ny tokantrano tsara Ambini'i Jesoa Omeny tombon-tsoa Sy fiadanam-po
6. Arovy ny mpivady Miankina aminao Fa maro ny adidy Hiantsorohany.
Misaotra mialoha.
Just.
Valio Just.
Tohiny...

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0303 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org