Izaho no ilay mofon'aina

Izaho no ilay mofon'aina
Fanomezana avy amin'ny Ray
Izay manatona Ahy tsy ho noana intsony
Izay mino tsy hangetaheta
Satria Izaho tokoa ilay mofo velona
Nidina avy any an-danitra any
Izay mihinana amin'izany mofo izany 
Velona mandrakizay

Ny razanareo tany an'efitra
dia nihinana ny mana
nefa maty ihany izy ireo
satria tsy mba tahaka izay omeko anareo
Izay mihinana amin'izany mofo izany
Tsy ho faty intsony 
Fa ho velona sy ho finaritra mandrakizay

Ny mofo izay homeko
ho fihinanareo dia ny nofoko
Satria tena fihinana ny nofoko,
tena fisotro koa ny rako
Izay mihinana amin'izany mofo izany
no iray aina amiko
Tahaka ny maha iray aina Ahy amin'ny Ray
no hiraisako aina aminy

Notanterahinao tokoa izany teny izany 
Tamin'ny andro nanolorana anao hijaly
Tamin'ny namoronanao ny Eokaristia 
ho tonga mofo fihinana ho anay
Izay nandevonanao tanteraka ny tenanao
Ho entinao hanehoana aminay ny tena fara-fitiavana

Ianao tokoa ry Jesoa Kristy ô
No Ilay Teny tonga nofo
Avy eo ny nofo indray no niova mofo
Ka tonga fihinana ho anay
Ary ny ranao izay niova ho divay
Tonga fisotro masina ho anay
Ka tonga iray aina tanteraka
aminay Ianao

Ka ny Eokaristia izay raisinay
dia tena Vatana aman-dranao Masina
Izay am-piombonanao anay amin'ny Ray
No hiraisanay aina Aminao
Ny Eokaristia koa no loharanon'ny fahasoavana rehetra
Aina mamelona sy mampiray ny Fiangonana

 

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009