Ny Fiangonana no fiombonana

1- Zavatra mahasondriana, 
Mahavaka ny saina, 
Fahita ombieny , ombieny: 
« Mpivavaka hono ireny e ! » 
Fa toa samihafa ihany , 
Ny fiainany andavan’andro, 
Sy ny fiainam-panahy, 
Niraisana ny Alahady ô! 
 
Fiverenana: 
Ny Fiangonana, no fiombonana 
K’aza atao filan-tsy mahita ihany e!
Ny fiarahan-dalana amin’ny Tompo. 
Ny Fiangonana no fiombonana, 
Ka tsy ho antendro-molotra fotsiny ihany e! 
Ny finoana velona hatrizay a! 
  
2- Raha tonga ny andro fety, 
Andro fankalazana,
Dia hiboka tsy hay dikaina,
Ny fitafy tsy hay lazaina!
Fa be ny mikombom-bava, 
Toa tsy mahalala intsony,
Ny antony nirosoany,
Fa nasesiky ny ambom-pony ô! 
 
3- Maro amin’ireo tanora,
Milaza ho mato-tsaina,
Miroso amin’ny fifanekena,  
Ho tsofindrano fa fomba izany e!
Nisosa ary ny fotoana,
Nivalona koa ny taona,
Very hasina ilay voady,
Veloma ry Mariazy ô! 
 
4- Raha misy manetry tena,
Manao ny asa fanompoana
Dia maro ny mpitsikera,
Manakiana sy manakora,
Ny fiarahana milanja,
Sy fiarahana mamindra,
No fanohitra tsara indrindra,
Hampilamina sy hampirindra ô! 
 
5- Ho faranana ny tantara,
Fa sao mihoatra ny mety,
Tsy hoe mahay milaza,
F’izany no zava-misy.
Ataovy voankazo an’ala,
Ny mamy ihany no hatelemo,
Tsarovy sy ataovy antsaina,
Ny hafatra nampitaina e! 

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0578