Vavaka ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra
Ry Jesoa Tompo,
Ianao ihany no nilaza hoe :
"Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy",
dia hoy Ianao nanampy :
"Angataho àry ny tompom-bokatra
haniraka mpiasa amin'ny sahany".
Koa amim-po manaiky Anao sady sitrakao
no ivavahanay ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra
Henoy, ry Andriamanitray, ny fitalahoanay Aminao :
Omeo Pretra masina sy maro izahay,
hitory ny Evanjelinao,
sy hizara ny fahasoavanao.
Omeo Relijiozy vonona sy mahafoy tena ny Eglizinao,
ho vavolombelon'ny Fitiavanao
hatrany amin'ny fara-vazan-tany.
Omeo Apôstôly lahìka vonon-kamonjy ny namana izahay,
hampamiratra ny toe-panahy kristianina
eran'ny tany rehetra,
- amin'ny fitiavam-bavaka,
- amin'ny fitiava-namana,
- amin'ny fandeferana sy herim-panahy,
- amin'ny asa sahanina,
hampibaribary ny toe-tsainao Kristy mamelona azy.
Mba fidio eto afovoanay izy ireo :
- amin'ny fiangonanay,
- amin'ny sekolinay,
- amin'ny fianakavianay.
Tohano izahay mba hahay hanampy,
araky ny herinay rehetra,
ireo izay antsoinao ka manaraka Anao
amin-kerim-po sy fitokiana,
mba "ho tonga ny Fanjakanao".
Miaraka amin'i Masina Maria Virjiny
sy ireo Olomasina rehetra razanay izahay
no mitalaho izany Aminao.
Amen !
Ianao ihany no nilaza hoe :
"Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy",
dia hoy Ianao nanampy :
"Angataho àry ny tompom-bokatra
haniraka mpiasa amin'ny sahany".
Koa amim-po manaiky Anao sady sitrakao
no ivavahanay ho an'ny fiantsoan'Andriamanitra
Henoy, ry Andriamanitray, ny fitalahoanay Aminao :
Omeo Pretra masina sy maro izahay,
hitory ny Evanjelinao,
sy hizara ny fahasoavanao.
Omeo Relijiozy vonona sy mahafoy tena ny Eglizinao,
ho vavolombelon'ny Fitiavanao
hatrany amin'ny fara-vazan-tany.
Omeo Apôstôly lahìka vonon-kamonjy ny namana izahay,
hampamiratra ny toe-panahy kristianina
eran'ny tany rehetra,
- amin'ny fitiavam-bavaka,
- amin'ny fitiava-namana,
- amin'ny fandeferana sy herim-panahy,
- amin'ny asa sahanina,
hampibaribary ny toe-tsainao Kristy mamelona azy.
Mba fidio eto afovoanay izy ireo :
- amin'ny fiangonanay,
- amin'ny sekolinay,
- amin'ny fianakavianay.
Tohano izahay mba hahay hanampy,
araky ny herinay rehetra,
ireo izay antsoinao ka manaraka Anao
amin-kerim-po sy fitokiana,
mba "ho tonga ny Fanjakanao".
Miaraka amin'i Masina Maria Virjiny
sy ireo Olomasina rehetra razanay izahay
no mitalaho izany Aminao.
Amen !

