Vavaky ny Taon-jobily 2025

Ry Rainay any an-danitra ô,

Ny finoana izay nomenao anay
ao amin'i Jesoa Kristy Zanakao sady Zokinay
dia sady toa afom-pitiavana manenika ny fonay
tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina,
mba velomy ao anatinay ny fanantenana
sy ny fahasambarana amin'ny fiavian'ny Fanjakanao.

Ny fahasoavanao anie
hahatonga anay ho mpiasa mavitriky ny fitoriana Evanjely
izay hampijoro, hanome aina ny olombelona
sy izao rehetra izao
hiandry amim-pitokiana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao,
ka rehefa resy ny herin'ny ratsy rehetra
dia hiseho mandrakizay ny Voninahitrao.

Koa ny fahasoavan'ny Taon-jôbily anie
hamelona indray ao aminay,
Mpivahinin'ny Fanantenana,
ny faniriana fatratra ny zavatry ny lanitra,
ary hampanjaka eo amin'izao tontolo izao
ny hafaliana
sy ny fiadanan'Ilay Mpanavotra anay.

Ho Anao Andriamanitra irery ihany anie
ny dera sy ny voninahitra mandrakizay.

Amen.

Nampiditra j_rahasa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0803