Vao mangiran-dratsy ny andro

Nampiditra: Jean_Luck_R
Sokajy: Andriamanitra Ray, Samihafa, Tononkira, Vavaka maraina,


Fiverenana:

Vao mangiran-dratsy ny andro

Sahala amin’ny serfa maniry higoka rano velona

Ny ainay manontolo mikatsaka Anao

Mikatsaka Anao ry Tompo ô!

Aleloia !, Aleloia !

 

1. Miantso Anao ny saina, fo fanahiko

   Mba valio hatrany re, ry Tompoko

   Ny fitsipikao ho tanterahiko

2. Indro Ianao irery no antsoiko

   Ka vonjeona aho ry Tompoko

   Ho tandremako ireo nambaranao

3. Mbola tsy mazava ny atsinanana

   Dia efa velona antso mitaraina aho

   Miandry am-pitokiana ‘zany teninao

4. Mihoatra ireo mpiambina amin’ny alina

    Zara raha mikipy tony masoko

    Dia ny didinao no saintsainiko !

5. Mba henoy ny talahoko Aminao

   E! tsy manamm-petra ny hatsaram-ponao!

  Ny fitsaranao anie hamelona ahy

6. Reo mpanenjika ahy indreo manatona

    Sy miray tetika amin’ny heloka

    Ny lalana atoronao nilaozany !

7. Fa ianao tsy lavitra ry Tompoko

   Marina avokoa ny didinao

   Teninao no marina ifikirako

8. Efa hatry ny ela no indro fantatro

  ‘Lay fanambarana mba hamonjy anay

   Dia naorinao ho mari-pototra

9. Koa deraiko oianao, ry Ray mpiahy anay

    Zanakao no lalana sy fiainanay

   ‘Lay mitondra anay hanao ny sitrakao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay