Hanampy ara-bola?

1. ( 06/02/2024 16:55)
Tsy natao hidiram-bola ity takelaka ity fa natao maimaim-poana vokatry ny fitiavana ny Fiangonana sy ny fampielezana ny finoana. Na izany aza nefa dia misy ireo fandaniana atao. Koa raha toa ka manam-paniriana hanampy ara-bola ianao dia raisina an-tanandroa na dia kely aza satria ilaina tokoa.... tohiny
novalian'i Pendo1504 ny 3 andro lasa
2. Pendo1504 ( 06/02/2024 16:55)
Miarahaba
Nikasa hanampy ity hira ity atao anaty fihirana katolika ny tenako kanefa misedra olana rehefa miditra ao amin'ny pejy tokonh handefasana izany.
Hira nanamarika ny fahazazako izy ity satria dia vetsina sy kaloin'ny bebeko isanandro isanandro
Ref : Ry Maria Mpanjakavavy tsy misy pentina
Mandrese ary manjakà @ zao tontolo zao

1 Nomen'i Jesoa fahefana @ olo-drehetra Ianao
Ary nanankinany ny rakitry ny Fahasoavany
Avy aminao no tiany no tiany hanomezana ny hasambarana
Satria Ianao no Reny itokianay tokoa, Fanantenana

2 Ekenay tokoa fa Mpanjakan'zao tontolo zao ianao
Aoka ianao lay fahazavana mampisavabny aizina
Ianao no loharano hanovozanay ny toky sy Fanantenana
Satria Ianao no Reny itokianay tokoa, Hery ho anay

3 Ianao no rohy hampifandray hatrany ny fon'olombelona
Izao tontolo izao dia miandrandra fandriam-pahelemana
Aoka tsy ho voafenitra fa Reny mpanavotra tokoa Ianao
Satria Ianao no Reny itokianay tokoa, mpiaro anay
novalian'i j_rahasa ny 4 andro lasa
3. admin ( 09/03/2024 11:08)
Inona ilay olana sedrainao azafady.
4. Pendo1504 ( 3 andro lasa)
admin:
Inona ilay olana sedrainao azafady.

rehefa miditra amin'ilay lien hapetrakareo eo amin'ilay hoe raha afaka manampy amin'ny fampidirina hira dia "Page Web non disponible" foana no mipoitra eo
5. admin ( 3 andro lasa)
Tsy hitako io lazainao io, nojereko ny toerana roa hahafahana mampidira hira fa tsy misy olana.
Jereo ilay hoe Fanoroana -> Hampiditra hira
na koa ao amin'ny Hira sy Fihirana -> Fihirana dia hampiditra hira.
6. Pendo1504 ( 3 andro lasa)
admin:
Tsy hitako io lazainao io, nojereko ny toerana roa hahafahana mampidira hira fa tsy misy olana.
Jereo ilay hoe Fanoroana -> Hampiditra hira
na koa ao amin'ny Hira sy Fihirana -> Fihirana dia hampiditra hira.

ilay rohi ao anatin'ilay application no nampiasaiko ka nahitako io olana io. Finday manko no tena fampiasako ka saika tamin'ny alalan'ny finday aho no hampiditra hira
7. admin ( 3 andro lasa)
Ah ok. Hahitsiko izay.

Fa rehefa amin'ny finday ianao, tsy ao amin'ny application, dia midira ao amin'ny site katolika.org dia ao no misy ireo nolazaiko ambony ireo.

Misaotra hatrany
8. Pendo1504 ( 3 andro lasa)
admin:
Ah ok. Hahitsiko izay.

Fa rehefa amin'ny finday ianao, tsy ao amin'ny application, dia midira ao amin'ny site katolika.org dia ao no misy ireo nolazaiko ambony ireo.

Misaotra hatrany


Voaray

mankasitraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113