Marobe tsy voajijiko eto

Nampiditra: hery
Sokajy: Samihafa, Fifonana,


  • Antsao ny Tompo p. "234
  • Karine Dera p. "489

1- Marobe tsy voajijiko eto, ny hadalàna efa vitako
Namantsihako anao Jesoa tamin'ny hazo fijaliana
Ianao ilay tsy azon-keloko sady tsy ary nanota koa
No nanjary nibaby ireny hadisoako ô ô
Tompo ô, mifona aminao zaho ô ô
Mamindrà fo amiko o o
Tompo ô ianao no fiainana e e,
Mamindrà fo, mamindrà fo amiko ô .
Koa mba tsy ho very zaho o o

2- Fijaliana tsy hay koragnina e,
No niaretanao Jesoa
Baraka mihoatra lavitra ny digniko ô ô
Izao zaho mahatsiaro diso ô.
Fa tsy mety ny vitako ô
Ka mifona mivalo aminao zaho, Kristy ô ô
Kristy ô, mifona aminao zaho ô ô ,
Mamindrà fo amiko o o
Kristy ô ianao no fiainana e e,
Mamindrà fo mamindrà fo amiko ô
Koa mba tsy ho very zaho o o

3- Velirano ataoko eto,
Tanterahiko amin'ny fiainako
Ny hanaja anao Jesoa manombok' izao o o
Fikasana tsy hagnampody eky e
Ireny ota efa lôsogno ô
Hagnova ny fiainako ô mba ho tsaratsara a
Tompo ô mifona aminao zaho ô


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0086 s.] - Hanohana anay