Ry Jesoako, fanantenako tokana
1 Ry Jesoako, fanantenako tokana,
Ny sarinao tsy handao ny foko,
Ny masoko faly manatrika azy,
Hanalany ny alaheloko.
Ry sarin'i Jesoa Mpamonjy
Anjarako,
Rahefa ho afaka aina aho,
Ianao tiako hanindry
Ny tratrako. (indroa)
2 Be alahelo ny andron'ny olona
Amin'ity fandalovana ity,
Fa ianao no manala ny loza
Sy ny alahelo manjò anay.