Misaotra anao 'zahay (2), midera anao 'zahay

Misaotra anao 'zahay, midera anao 'zahay,
Ry Zanahary ô, Andriamanitray,
Ray, Zanaka sy Fanahy Masina:
Mpanao, Mpamonjy ary Mpivimbina.
 
Ny katôlika Malagasy faly sy ravo,
Satria voafidinao izy, ka nahazo
Anjara soa, soa tokoa, tena sarobidy:
Ka tonga zanakao, ho olom-pinidy.
 
1 Ny fitiavanao: rano be tsy misy fetra
 Mangarangarana, tsy mety ritra,
 Dia manenika ity Nosinay.
 Diovy, Tompo ô, ho mendrika anao 'zahay.
 
2 Ity Nosinay efa ela no anao;
 Koa ireo mbola tsy nandre ny feonao
 Dia hoentinay aminao, Tomponay!
 Madagasikara: anjakao mandrakizay.
 
3 Manantena anao izahay, Maria malala,
 Reny ambony, tia anay indrindra
 Ary Renin'i Jesoa Zokinay
 Ivavaho 'zahay ho sambatra mandrakizay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 603
Vavaka sy Hira p. 656
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0423