Misy mpiandry omby mandodona foana

1. Misy mpiandry omby mandódona foana, eny re
Ka solafaka ny omby, indraika aza potraka
Ary araka izany, vao maika ikapohana

Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara
Ka ny ondry mandroso,  tsy mila ahiana
Izay vizana an-dala atao antsangory

Fa Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara!

2. Misy mpiandry tsy mba mitarika, eny re
Fa ny omby mivily, voatoraka vato
Ka izay tambitamby tsy misy, fa kapoka!

Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara
Ny anarany hatrany no iantsoanao azy
Sady fantany tsara ny feonao mpiandry

Fa Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara!

3. Misy mpiandry omby izay misy manafika, eny re
Avelany ny omby ho faohin'ny mpangalatra,
Fa ny ainy no  avotanny, lasa mitsoaka

Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara
Miaramila amain-tsabatra hamatotra Anao,
"Izaho no ento, fa aza irreo ondriko" (Jo. 18,  8 )

Fa Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara!

4. Misy mpiandry omby raha maina ny andro, eny re
Mitondra ny omby teren'ny hafanana
Mba ho any amin'ny dobo fanala hetaheta

Ianao ry Jesoa, indreo ny ondrinao
Samy main'ny hetaheta mitady hosotroina
Dia nomenao hogohiny ny Ranao Fiainana!

Fa Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara!

5. Misy mpiandry raha sendra hanoanana, eny re
Ka ny ahitra ringitra, maina, mariry
Mividy mangahazo hanohanana ny omby

Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara
Ka sakafo omenao ny andian'ondrinao
Dia ilay  vatanaoo tena Mofo Fiainana!

Fa Ianao ry Jesoa, no mpiandry ondry tsara!

Nampiditra admin
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096