Maro loatra, ry Tompo, ny hadisoako

1 - Maro loatra ry Tompo ô ny hadisoakoIfonako itarainako aminaoTsy nanaraka AnaoTsy nitandreny ny baikonaoMifona aho, mivalo aminao.
Tompo ô, mifona aminao ahoTompo ô, mamindrà fo amiko
2- Matetika lavitry AnaoKristy aho Noho ny hadisoakoMinia manalavitra ny hafatra tianao hataoMitsitokantokana izahay ety an-tany etyDiso lalana ka mivalo aminao
Kristy ô, mifona aminao ahoKristy ô, mamindrà fo amiko
3- Omeo ny sitrakao ry Tompo no italahoakoMiaiky ka mifona fa be ny nataoVonona ny hiova sady hanatanterakaAry hanova'zay natao ka mitalaho
Tompo ô, mifona aminao ahoTompo ô, mamindrà fo amiko
Nampiditra hery
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 233
Karine Dera p. 467
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087