Mahasambatra kokoa ny manome

Nampiditra: hery
Sokajy: Samihafa,


  • Karine Dera p. "432
  • Antsao ny Tompo p. "83

Mahasambatra kokoa ny manome.
Noho ny mandray è ! sambatra e !

  1. Iriko dia iriko tokoa, hoy ny Tompo
    Ny hifankatiavanareo mpianatro ;
    Valala iray aza ifanapaho,
    Zarao soa ireo madinika,
    Aza miandry ho vonton-karena.
    Fa anio ihany dia mizarà !
             Fa n'iza n'iza hanome
             Rano mangatsiaka eran'ny kaopy monja,
             Mba hosotroin'ny anankiray
             Amin’ireo madinika indrindra,
             Tsy mba ho very valisoa.
  2. Izay mamafy kely dia hijinja kely,
    Izay mamafy be hijinja be,
    Samia manao izay efa nokasainy,
    Tsy amin'alahelo na an-tery,
    Satria ny manome an-kafaliana
    No sitrak'Andriamanitra.
             Lazaiko marina aminareo
             F'isaky ny manao izany ianareo,
             Tamin'ny anankiray amin'ireto
             Zandriko kely indrindra ireto,
             Dia nanao izany tamiko.
  3. Raha tianareo loatra ny ainareo
    Dia izay ange no hahavery azy,
    F'izay mankahala ny ainy kosa,
    Amin'izao fiainana izao
    Dia ho afaka hitahiry azy.
    Ho amin'ny fiainana mandrakizay.
             Samy efa nomen'Andriamanitra soa,
             Ka mba mahaiza mizara tsara !
             Tsy misy manam-pitiavana lehibe,
             Noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny hafa.
             Izaho no fianarana ho anareo.

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay