Hanampy?

Lohahevitra : Hanampy?
Fitohizan'ny hafatra : Hanampy?
Valiny : 15
admin - 29/07/2014 12:38
Betsaka ireo zavatra ilàna fanampiana hanatontosàna ity takelaka ity sy ny zavatra hafa miaraka aminy ka isaorana anareo mialoha amin'izay azo atao.


Hampiditra lahatsoratra
Hiara-miasa aminay 
Hanampy ara-pitaovana
Hanampy ara-bola

... Tohiny
Valio | Miverina eny ambony
sajc - 29/07/2014 12:38
bjr
te handefa tonony hira faneva vona eto @ diosezin'antananarivo @ ity site ty inona no tokony atao
merci
Valio | Miverina eny ambony
Nondro - 29/08/2014 12:58
Efa misy veuh ny boky sorona Masina Alahady na ny sorona masina Andavan'andro sy andro fety @ Androïd?
Valio | Miverina eny ambony
admin - 15/09/2014 16:02
Sorona Masina alahady sy andro fety ihany:

https://play.google.com/store/apps/details?id=org.katolika.soronamasina

Valio | Miverina eny ambony
glst - 22/09/2014 15:00
Miarahaba,
Mety azo atao ve ny manisy 'TON' musical ho an'ireo hira HASINA nampidirin'i Belle .
Ohatra : Ahiratray ny masonay (DO)
Manampy be amin'ny fanomanana litturgie manko ny mahalala izany.
TON indicatif fotsiny dia ampy, mba tsy ahakenda ny miangonana.
Misaotra
Valio | Miverina eny ambony
hery - 22/09/2014 15:11
Salama,

Indrisy fa tsy haiko ny ankamaroan'ny hira ka mety tsy ho vita ny hametraka izany.

Sady miankina tanteraka amin'ny mpihira ihany koa. Hitako mihitsy hoe raha vo atao mitovy gamme amin'ny fitendry any Antananarivo no entina any Toliara dia ambany be satria ny olona any zatra feo ambony kokoa.

Tsy misy afatsy ny répétition miaraka amin'ny mpihira ihany no vahaolana... izany hoe fanomanana mialoha.
Valio | Miverina eny ambony
raerband - 23/09/2014 08:52
Arahaba, efa fantatsika fa feno (complet) ny fihirana Hasina. NY fihirana vaovao anefa dia tsy mihetsika loatra. NY ankamaroan'ny hira dia efa ao anatiny Hasina ka te hanampy proprietes fotsiny aho momba ilay hira. Ajouter une option/modifier properties.
ohatra: Saotra dera no omena, fv 509, nefa tsy misoratra.
Misaotra
Valio | Miverina eny ambony
hery - 26/09/2014 06:49
Ok jereko io fanitsiana fihirana io. Misaotra
Valio | Miverina eny ambony
hery - 26/09/2014 07:04
Nahita hevitra ary aho ho an'ny Fihirana Vaovao manokana.

Raha misy manana fihirana vaovao dia mba ampidiro ny Pejin'ireto hira ato amin'ity fichier ity ireto raha misy.

https://docs.google.com/spreadsheets/d/1SoiDZb0DO8roV470thybbbgr-JwoQbD_VvXCc5oIDgM/edit?usp=sharing

Sokafana io dia ampidiro fotsiny ny pejy isaky ny hira.

Misaotra amin'ny fiaraha-miasa.
Valio | Miverina eny ambony
Lioka190288 - 12/11/2014 06:30
Miarahaba antsika rehetra,
Vaovao ato ny tenako ary manantena ahazo fiara-miasa.
Mba mila maika ny tantaran'i Masindahy Michel azafady izay mahafantatra sy mahalala. Mba alefaso any amin'ny mailaka manokana lulurabearison-at-gmail.com tompoko ô!
Misaotra mialoha e!
Valio | Miverina eny ambony
admin - 12/11/2014 19:56
Indrisy tsy manana izahay

Fa misy betsaka amin'ny internet.
Valio | Miverina eny ambony
Mbolaniaina - 13/11/2014 12:04
salama
saika hampiditra hira katolika aho de tsa nety. voalaza fa tsa manana alalana hono aho. nahoana angaha? sa tsy maintsy alefa mail agny aminao va aloha?
Valio | Miverina eny ambony
admin - 13/11/2014 12:11
Tsy maintsy activer-na aloha vao afaka mampiditra hira.
Andraso fa ataoko vetivety.

Izay, tokony afaka mampiditra am'zay.

Lazao raha misy olana
Valio | Miverina eny ambony
holyrazakandremba - 03/01/2015 18:00
bonjour daholo,

saika anontany azafady oe ts ampiasaina intsony nga ny iarivo miara-mivavaka fa toa ts misy mivarotra intsony eny amin'ny librairie catholique sy ny librairie st paul nefa tena manampy be amin'ny fanomanana liturgie mitsy ireny, misaotra amin'ny valiteny.
Valio | Miverina eny ambony
admin - 03/01/2015 22:20

holyrazakandremba
bonjour daholo,

saika anontany azafady oe ts ampiasaina intsony nga ny iarivo miara-mivavaka fa toa ts misy mivarotra intsony eny amin'ny librairie catholique sy ny librairie st paul nefa tena manampy be amin'ny fanomanana liturgie mitsy ireny, misaotra amin'ny valiteny.


Tena tsy fantatro io boky io ry holyrazakandremba.
Valio | Miverina eny ambony
Andrikely11 - 29/12/2016 22:43
salama tompoko! Mankasikatra fa tena manampy be dia be ilay Rohy fa indrandra ho anay tsy afaka mampiasa bokim-pivavahana amin'ny teny malagasy mivantana. Afaka mampiasa manankalaza ampilaminana kosa nefa izahay noho ny fandrosoana ara-teknolojika.
FANAMARIHA kely fotsiny e: Ra tsy diso izaho dia SABOTSY no fanoratra marina fa tsy ASABOTSY.
Misaotra indrindra e.... mahafinaritra
Valio | Miverina eny ambony

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0872 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org