Indro tonga ao am-ponay, Ianao ry Jesoa ô

1- Indro tonga ao am-ponay, Ianao ry Jesoa ô
Zokinay filohanay, zahay tanoranao
Aza mandao anay, tohano izahay
Fa tanora mora resy, malemy sitrapo

2- Marobe 'reo namanay, tsy mahalala Anao
Maro koa reo havanay, tsy mbola tia Anao
Indreto izahay, zahay tanoranao
Hampanjaka anao ry Jesoa, eto amin’ny nosinay

3- Hafatrafatrao fahiny, tamin’ny mpianatrao
Mpianadahy ianareo, mifankatiava re
Hifankatia 'zahay, 'zahay tanoranao
Ka haelinay ry Jesoa, ny baiko nomenao

 

Nampiditra admin
Fihirana Dera p. 86
Fihirana Hasina p. 347
Fihirana Vaovao p. 164
Vavaka sy Hira p. 753
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765