Nanjohy iny lalana iny izahay noho ny anaranao, Jesoa Kristy

1. Nanjohy iny lalana iny izahay
    noho ny anaranao,
    Jesoa Kristy.
    Nitety ny tendrombohitra sy lohasaha,
    hitory ny anaranao,
    Jesoa Kristy.
    Misy fiangonananao any ho any,
    zara raha hoe mijoro,
    Jesoa Kristy.
    Efa an-taona maro izy zao,
    mangetaheta anao,
    Jesoa Kristy.    

Jesoa Kristy...
'Zay moa no anaranao,
anaram-pamonjena
Lova navelanao hanerana ny tany

Ivelomanay, Jesoa Kristy ô.
Jesoa Kristy...
Mangetaheta anao, 'zao taninay izao.
Ny voa nafafinao manerana ny tany
Aza avela ho sina, Jesoa Kristy ô.

2. Nahita ny tanimbary izahay,
    triatra fa karakaina, Jesoa Kristy.
    Dia nifanontany hoe : mandra-pahoviana
    vao hiakatra ny mpijinja,
    Jesoa Kristy ?
    Moa va tsy toy izany ireo zandrinao
    miandry famonjena,
    Jesoa Kristy ?
    Ao am-piangonana ao izy izao
    miantso ny anaranao,
    Jesoa Kristy ?

Nampiditra tywa68
Fihirana Hasina p. 628
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1611